Fanandroana arabo

Evan' ny zôdiaka amin' ny fanandroana arabo taloha

Ny fanandroana arabo dia fanandroana vokatry ny fandikana amin' ny teny arabo, tamin' ny Andro Antenatenany, ny asasoratra grika momba ny fanandroana, anisan' izany ny an' i Klaodiôsy Ptôlemaiôsy (Κλαύδιος Πτολεμαῖος / Claúdios Ptolemaîos) toa ny Tetrabiblos. Ity fanandroana ity dia miavaka noho ny fiteny arabo nanoratana azy, fa tsy amin' ny faritra niaviany (izay niely amin' ny faritra toa an' i Persia sy i Afrika Avaratra ary i Espaina ihany koa). Nandritra ny taonjato maro, ny Arabo dia nandika ny asasoratra momba ny fanandroana tao amin' ny sivilizasiôna grika. Ankehitriny dia teraka ny fanandroana arabo iray hafa sady vaovao, izay tsy ahitana sarin' olombelona sy biby izay ahita amin' ny evan' ny zôdiaka nentim-paharazana, vokatry ny fivavahana silamo.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search